Vavaka ho an'ny taonan'ny finoana

Publié le 30 Novembre 2012

annee foi pm

 

Ry Andriamanitra Rainay ô,

Ianao no miantso anay noho ny fitiavanao

ary maniraka anay hitory Vaovao Mahafaly.

Ankehitriny manentana anay handalina ny finoanay ny Fiangonana

ary hikaroka ny fomba fitoriana amin'ny endrika vaovao,

indrindra amin'izao fankalazana ny faha-50 taonan'ny Konsily Vatikana faharoa

sy faha-20 taona namoahana ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika izao.

Ao anatin'ny taonan'ny finoana ihany koa izahay,

Koa ampio tsy ho kivy handalina ny finoanay

Mba hahafahanay mitory sy mijoro ho vavolombelon'ny finoana,

Ao amin'ny fianakaviana, Sekoly, Fiangonana, ary ny fiaraha-monina misy anay

Miaraka amin'i Masina Maria Reninay izahay

sy ireo olomasina ary olontsambatra,

efa nialoha lalana anay tamin'ny fiainana ny finoana hatramin'ny farany,

no mangataka izany Aminao.

Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tomponay.

Amen.

Rédigé par coffar-catechisme

Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article