SEFADA Septembre 2012 [vers. MG]

Publié le 30 Octobre 2012

logoGM

                                      IVO
                  SEFADA / Septambra 2012


Andro fankalazana manokana ny nahaterahan’i Masina Maria Virijiny ny 8 Septambra. Ary nohon’ny sitrapon’Andriamanitra dia tafatsangana ihany koa ny Birao antsoina hoe «  SEFADA » tamin’ny Sabotsy 8 Septambra 2012 lasa teo. Ny SEFADA dia tsy inona akory fa ilay nantsoina hoe vaomieran’ny fandalinam-pinoana teo aloha.


 SEFADA

Teny amin’ny toerana FALDA Antanimena no nifampitaona ireo relijiozy sy ireo laïka mpikatroka ny fandalinam-pinoana eto amin’ny Diosezin’Antananinarivo. Natomboka tamin’ny Sorona Masina ny fandaharam-potoana, izay notarihin’i Mopera RALISON Eugène Raphaël,aomônie vaovao, sy ny Diakra RAFARALAHY José Alain, frera mpanampy azy, ary notrononin’ireo mpampianatra izay niisa 66 mianadahy.solon-tenan’ny betsaka teto amin’ny Diosezy, nahitana ny avy eto amin’ny VEA, vikaria Manodidina, Atsimo, Avaratra, Atsinanana, Andrefana.
anana ny biraony manokana ao amin’ny FALDA Antanimena ny « SEFADA » na « Ny SEham-pikatrohana FAndalinam-pinoana Diosezin’Antananarivo » manomboka izao. Tamin’ny alalan’ny fifidianana fandatsaham-bato no nahafahana nifidy an’ireo izay ho mpikambana ao anatin’ny birao vonjimaika hitantana mandritra ny herintaona.

 

 

 

« Mirosoa amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo ». Izany no teny fanevan’ ny SEFADA. Maro noho izany ireo asa miandry ny SEFADA ka anisan’izany ohatra ny fanganana ny antenimiera izay alohan’ny faran’ ity  taona2012 ity no tokony efa tafapetraka, ny fampiofanana an’ireo mpikatroka mandritry ny taona, ny fanentanana ny kristianina handalina ny finoana, ny fanotàna boky mandrafitra ny fandalinam-pinoana isan-taranja dia ny batemy, konfesy, komonio voalohany, fanavaozana, fankaherezana, mariazy, anelanelany, katekomena , … )


Tsapa fa mijoro tsikelikely ny rafi-pitantanana eto amin’ny Diosezin’Antananarivo toy ny DIDEC izay misahana ny fampianarana, VALIA izay mikasika ny litorjia, ary ity farany dia ny SEFADA izay miandraikitra momba ny fandalinam-pinoana. Koa ho ambinan’Andriamanitra amin’izany asa masina izany ny tsirairay.

 

[ Voir l'album photo ]

 

Ekipa SEFADA.

Rédigé par coffar-catechisme

Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article