Fivavahana miaraka amin'ny Lakroa Masin'i Jesoa Kristy

Publié le 26 Novembre 2012

FIVAVAHANA NATAON'NY TOMPO

 

Ity fivavahana ity dia hita tamin'ny taons 1505 tao amin'ny fasan'i JESOA KRISTY TOMPO ary nalefan'ny PAPA RAY MASINA tamin'ny mpanjaka CHARLES raha sendra niantafika izy nitarika an'ireo Croisés mba hiady amin'ireo fahavalon'i KRISTY.

1.     Izay mitondra ity fivavahana ity eny aminy dia tsy ho faty tampoka, tsy ho azon'ny fahavalo ary handresy an'ady.

2.     Raha misy vehivavy mihetsi-jaza ka mandre ny famakiana ity fivavahana ity, na mamaky azy dia ho mora fiterahana izy. Ary raha teraka ny zaza dia hapetraka eo ankavanany ity fa hanalavitra azy ny ratsy rehetra.

3.     Raha misy olona voan'ny androbe dia hapetraka eo ankavanany ity fa hiarina izy.

4.     Ny trano misy ity fivavahana ity dia tsy hilatsahan'ny varatra ary tsy ho voan'ny hain-trano.

5.  " HO TAHIAKO MANDRAKARIVA" hoy ny Tompo izay manoratra ity ho an'ny hafa ary ho faiziko izay manao tsinontsinona.                                                         0

6.     Izay mamaky ity fivavahana ity isan'andro dia hampahalalako telo andro alohan'ny fahafatesany

7.     Hieren-doza sy tsy ho azon'ny fanahy ratsy izay mitondra ity fivavahana ity any amin'izay alehany.

FANGATAHANA

"Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra izay miharitra ny ngidin'ny fahafatesana tety an-tany ombao aho Ry HAZO FIJALIAN'l JESOA KRISTY mamindrà fo amiko.

Ampahalaviro lavitra ahy izay mety ahafaty ahy na momban'ny fanahy na momban'ny vatana. Ho tsaroako mandrakariva anie ny HAZO FIJALIAN'l KRISTY TOMPO; ry Jesoa Nazareana mamindrà fo amiko noho ny voninahitry ny anaranao masina ka nahatongavanao ho nofo tamin'ny andron'ny Noely sy namantsihana anao tamin'ny Zoma Masina mba ho fanavotana ny olombelona".

FIVAVAHANA

"Ry Andriamanitra mahery sy mandrakizay izay nijaly teo ambony hazo fijaliana noho ny fahotanay, aza misaraka amiko. Ry LAKROA MASIN'i JESOA KRISTY roahy lavitra ahy ny fiadiana maranitra sy ny fanahy maloto.

Ry Jesoa Kristy Tompo ombao aho noho ny voninahitry ny anaranao masina sy ny nahatongavanao ho nofo izay tsy maintsy hitantana ahy any amin'ny fiainana mandrakizay, mino aho fa lanao marina no maty teo ambony hazo fijaliana ny Zoma masina.

" RY LAKROA MASIN'i JESOA KRISTY MAMINDRA FO AMIKO"

 

Rédigé par coffar-catechisme

Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
J
Misaotra amin' n'y fandeanle vavaka enga anie mba hirotsaka amintsika tsirairay n'y fitahian'izy tompo!
Répondre
C
Amen! Que Dieu soit louer
Répondre
N
MISAOTRA ANAREO NANDEFA NY VAVAKA FA ZAVADEHIBE AMINAY ITY
Répondre
A
Amen, mino aho Tompo fa tsy misy tsy vitanao.<br /> Misaotra anareo izay nandefa ny vavaka.
Répondre
F
misaotra
Répondre